Ny Insecta, izay atao amin' ny teny malagasy hoe voana, dia kilasin' ny biby tsy misy hazondamosina, manana tongotra enina milahatra tsiroaroa ankavia sy ankavanana, manana vatana mizara telo: ny loha (izay ahitana vava sy ringotra roa ary maso) sy ny tratra (izay misy ny tongotra enina sy elatra misosona roa) ary ny kibo (izay tsy misy rantsam-batana mipoitra avy aminy). Somary mafy ny hodiny izay solon-karany. Matetika izy ireo dia atao hoe bibikely (nefa mahafaoka biby tsy manana hazodamosina hafa ity teny ity mifanandrify kokoa amin' ny hoe Arthropoda).
Misy karazany mbola misy izay efa ho 1,3 tapitrisa eo ho eo ity kilasy ity (ary efa ho 10000 ny karazana vaovao voafaritra isan-taona), ny Insecta dia mahaforona ny 55% amin' ny karazan-javamananaina ary 85% amin' ny karazam-biby (voafaritra araka ny isan' ny karazana). Tombanana ho eo anelanelan' ny 5 sy 80 tapitrisa ny fitambaran' ny karazana mety misy.
Voana lavitrisa (1019) no tombanana ho velona amin' ny fotoana iray, araka ny fanombanana. Ny totalin-danjan' izy ireo dia 300 heny noho ny an' ny fotambatan' ny olombelona, avo efatra heny noho ny an' ny biby manana hazondamosina, ary ny totalin-danjan' ny bibikely sôsialy fotsiny dia antsasaky ny an' ny Insecta.
Voasarona karana ivelany, toa fitafiana na hoditra isalorany izay somary mafy, ny tenan' ny voana, satria tsy manana karana anatiny izy ireo (tsy sahala amin’ ny biby manana hazondamosina toy ny biby mampinono, ny vorona, ny biby mandady na mikisaka, ohatra). Manify nefa somary mafy ity karana ivelany ity, izay fikambanana sitinina sy prôteinina (atao hoe artrôpôdinina). Eo amin’ ny manandrify ny vanin-drantsam-batana sy ny vanim-batan’ ny voana dia malefaka ity karana ivelany ity ka mahatonga ilay biby ho afa-mihetsika sy miolana. Miefitrefitra ny tenan’ ny voana, sy ny an’ ny artrôpôda hafa, noho ny fisian’ ny vaniny (metamera) mitandahatra. Tsy mitovy avokoa ireo vaniny ireo, mitambatra ny sasany ka mamorona fizaràna telo miavaka amin’ ny vatany: ny loha sy ny vatana ary ny kibo. Eny amin’ ny vaniny sasany amin’ ny tenan’ ny voana dia itsofohan’ ny kambiny izay miovaova anjara asa arakaraka ny karazany.
Ny lohan’ ny voana dia vaniny enina mitambatra ho iray, mitondra ny taovam-pandrenesana (maso, ringotra) sy ny vavany izay miovaova endrika arakaraka ny karazan-tsakafony sy ny fomba fitadiavany sakafo.
Ny maro tsotra telo sy ny maso saro-drafitra ary ny ringotra eo amin' ny lohan' ny vana
Ao amin' ny voana efa àry fomba dia misy maso tsotra miovaova isa (frantsay: ocelles) sy maro roa saro-drafitra ny loha. Amin’ ny ankapobeny dia tsy mana-maso ny olitry ny voana. Ny maso saro-drafitry ny voana dia miaty 6000 ka hatramin’ ny 28000 singa mahatsapa hazavana, izay atao amin’ ny teny frantsay hoe "ommatidies", ka ny vohony dia miendrika enin-dafy. Ny ômatidia dia mivondrona eo ambany sarona mangarahara (izay mitovy amin’ ny tampo-mason’ ny olombelona), izay manana lafy madinika mitovy isa amin’ ny ômatidia. Manarona ny singa mora mahita hazavana ny maso tsotra (ocelle), izay misy sarona mangarahara tokana. Natokana ho an’ ny fahitana zavatra mihetsika haingana ny maso saro-drafitra. Lehibe dia lehibe ny saham-pahitany, izany no ahafahan’ ny voana manana fahitana amin’ ny maso roa sy ahafahany manombana ny halavirana (izany no mahasarotra ny fisamborana lalitra). Tsy misy fandraisany anjara firy amin’ ny fijerena ny endri-javatra ny maso tsotra ary tsy mahatsapa afa-tsy ny fiovan’ ny haben’ ny hazavana.
Papaver rhoea
Tsy mitovy amin’ ny an’ ny olombelona ny fahitana loko. Ny bibin-tantely, ohatra, dia mahita ny any ambadiky ny volomparasy (izay tsy hitan’ ny olombelona) sy ny mavo ary ny manga, nefa tsy mahay manavaka ny mena. Amin’ ny bibin-tantely dia mainty ny voninkazo kôkelikô (Papaver rhoea).
Manodidina ny vavan’ ny voana dia ahitana kambiny miisa enina mandeha tsiroaroa, izay lasa singam-bavany ahafahany mandray sakafo sy mitelina izany. Ireo singa ireo dia ny nifiny roa andaniny sy ankilany sy ny valanoranony roa ary ny molony (molotra ambany). Misy endrika maro izany arakaraka ny karazan’ ny voana. Ao amin’ ny voana toa ny voangory (Melolonthina) na ny valala (Caelifera), dia natao hanapotika ireo singam-bavany ireo: lehibe sy mafy ary maranitra ny nifiny ka afaka mandray sy manapotika ny sakafony, ny valanorany sy ny molony ambany dia kambiny tsy tena matanjaka, mitondra fitaovam-pitsapana roa izay ampiasainy hitazomana sy hanosehana ny sakafo. Ao amin’ ny karazam-boana hafa, ny singam-bavany dia mety hanana endrika mpanindrona (toy izay hita amin’ ny moka sy ny kongona maimbo), na mpitsentsitra (toy izay hita amin’ ny lolo), na mpilelaka (toy izay hita amin’ ny tantely).
Amin' ny voana rehetra, ny tratra dia misy fizaràna telo miavaka. Ahitana tongotra roa ny fizaràna tsirairay - manana tongotra enina ny voana rehetra. Miovaova arakaraka ny fampiasana azy ny endriky ny tongotra. Izy ireo dia azo ampiasaina amin' ny fandehanana, toy ny an' ny voangory, amin' ny fitsambikinana, toy ny an' ny valala, amin' ny lomano, toy ny an' ny voangorindrano (Dytiscidae), na amin' ny fandavahana tany, toy ny an’ ny angely sasany. Azo ampiasaina amin' ny asa manokana kokoa izy ireo, toy ny an' ny tantely, amin' ny fanangonana sy fitaterana vovobony.
Misy fizaràna dimy ny tongotra. Ankoatra ireo tongotra miorina eo amin’ ny tratra ireo, ny olitry ny voana isan-karazany, indrindra fa ny bibin-dandy, dia manana solon-tongotra eo anelanelan' ny roa sy folo. Hita eo amin' ny kibo, mitovitovy amin' ny tena tongotra, izy ireo.
Toetra mampiavaka ny voana ny fisian' ny tongotra enina. Manana isan-tongotra hafa ny Arthropoda hafa.
Amin' ny voana manana elatra, amin' ny ankapobeny dia efatra mandeha tsiroaroa ny elatra. Miorina eo amin' ny fizaràna faharoa sy fahatelo amin' ny tratra izy ireo. Amin' ny ankapobeny dia manify sy mety hangarahara ary hamafisin' ny tsiraka ny elatry ny voana. Ny voana manana elatra, miaraka amin' ny vorona sy ny ramanavy, no hany biby manana elatra afaka manidina tokoa.
Danaus plexippus
Miovaova ny hafainganam-pandehan' ny sidina: 9 km/ora monja ho an' ny tantely, fa 20 km/ora kosa ho an' ny valala mpifindrafindra amin' andiany. Ny lolo amerikana atao hoe Danaus plexippus, no tompon-daka amin' ny sidina lavitra. Mandany ny fahavaratra any amin' ny faritra atsimo amin' i Kanada izy io ary mankany any Meksika amin' ny ririnina.
Karazana iray amin' ny Ephemeroptera (Rhithrogena germanic)
Matetika misy fizaràna iraika ambin' ny folo ny kibon' ny voana, fa amin' ny voana sasany dia misy enina na folo. Tsy misy zavatra hafa, afa-tsy amin' ny tranga vitsivitsy, toy ny an' ny voana toa angidina ao amin’ ny filaharana Ephemeroptera, izay misy sarikofehy izay fiitaran' ny vatany. Any amin' ny fizaràna farany amin’ ny kibony ny lavabodin’ ny voana.
Ao amin' ny voana vavy dia matetika misy taova fanatodiana eny amin' ny tendron' ny kibo, amin' ny endriny miovaova, izay ampiasaina hametrahany ny atody ao anaty tany na ao amin' ny zavamaniry. Ao aorian' ny fizaràna fahavalo amin' ny voana lahy no misy ny vavan' ny taovam-pananahana, ary ao aorian' ny fizaràna fahasivy izany amin' ny vavy.
Ny singa fototra ao amin' ny rafi-pitatitry ny voana dia rojom-pitatitra izay manomboka any amin' ny loha ka hatrany amin' ny tendron' ny kibo. Izy io dia eo amin' ny ilany manandrify ny kibo (fa tsy ny lamosina) amin' ny vatana, eo ambanin' ny fantsom-pandevonan-kanina. Toetra mampiavaka ny biby tsy manana hazondamosina izany, fa tsy toy ny biby manana hazondamosina, izay misy tsokan-damosina (mitovy amin' ny rojom-pitatitra) eo amin' ny ilany manadrify ny lamosina.
Ahitana ivom-pitatitra roa isaky ny ampahany amin' ny tratra sy ny kibo ny rojom-pitatitra. Ao amin' ny lohany dia ivom-pitatitra telo mitambatra no mamorona ny atidoha, eo ambonin' ny fantsom-pandevonan-kanina. Avy eo no ahatongavan' ny fitatitra, miainga amin' ny maso sy ny ringotra ihany. Manana rafi-pitatitra mifandray amin' ny taova mamoaka hôrmônina koa ny voana. Manana anjara toerana lehibe eo amin' ny fiainan' ny voana izy ireo, amin' ny fandraisany anjara amin' ny fivoarana sy ny fiofohana ary ny fananahana.
Ny zana-kilasy Apterygota dia misy filaharana roa: Archaeognatha sy Zygentoma. Tamin' ny fanasokajiana taloha dia nitsinjara ho filaharana efatra ny Apterigota, araka an' i Roth (1974), dia ny Protura, ny Collembola, ny Diplura ary ny Thysanura. Amin' ny lafiny filôjenetika, ny Apterygota dia tsy mamorona vondrona mônôfiletika, fa parafiletika na pôlifiletika, ao anatin' ny Hexapoda, na ny Pancrustacea aza.