Ravenea

Ny Ravenea dia vondron-karazana ao amin' ny fianakaviana Arecaceae, ahitana karazana 22 izay tsy hita raga tsy eto Madagasikara sy ao Kômôro. Karazana rofia kely sy salantsalany ary lehibe izy ireo, izay tsy manana vatany tokana matanjaka miloko volondavenona. Mivelatra ny fotony, ary mihena miandalana ny savaivony rehefa manatona ny tampon’ ilay zavamaniry. Miovaova be ny haben' ny karazana ao aminy. Ny Ravenea hildebrandtii sy ny Ravenea nana dia mahatratra 4 m eo ho eo, raha mahatratra 30 m kosa ny Ravenea robustior sy ny Ravenea sambiranensis.
Miendika volom-borona ny raviny ary mirefy 2 hatramin' ny 5 metatra ny halavany. Mahitsy amin' ny voalohany izy ireo, avy eo dia lasa milantsika tsikelikely ary misaraka rehefa akaikin' ny tampony. Ahitana fizaràna manify maro dia maro ny raviny. Fohy ny vondrom-boniny izay mipoitra eo anelanelan' ny ravina. Mena ny voany.
Fanasokajiana
[hanova | hanova ny fango]Fanasokajiana ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Arecaceae (fianakaviana)
- Ceroxyloideae (zana-pianakaviana)
- Ceroxyleae (foko)
- Ravenea
- Ceroxyleae (foko)
- Ceroxyloideae (zana-pianakaviana)
Ny Ity vondron-karazana ity dia iray foko amin' ireto vondron-karazana manaraka ireto: Ceroxylon, Juania ary Oraniopsis.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]- Ravenea albicans (Jum.) Beentje
- Ravenea beentjei Rakotoarin. & J.Dransf.
- Ravenea cycadifolia J.Dransf.
- Ravenea declivium J.Dransf. & Rakotoarin.
- Ravenea delicatula Rakotoarin.
- Ravenea dransfieldii Beentje
- Ravenea glauca Jum. & H.Perrier
- Ravenea hildebrandtii H.Wendl. ex Bouché
- Ravenea hypoleuca Rakotoarin. & J.Dransf.
- Ravenea julietiae Beentje
- Ravenea krociana Beentje
- Ravenea lakatra (Jum.) Beentje
- Ravenea latisecta Jum.
- Ravenea louvelii Beentje
- Ravenea madagascariensis Becc.
- Ravenea moorei J.Dransf. & N.W.Uhl
- Ravenea musicalis Beentje
- Ravenea nana Beentje
- Ravenea rivularis Jum. & H.Perrier
- Ravenea robustior Jum. & H.Perrier
- Ravenea sambiranensis Jum. & H.Perrier
- Ravenea xerophila Jum.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]