Aller au contenu

Open Language Archives Community

Avy amin'i Wikipedia

Ny Open Language Archives Community (OLAC) dia fiaraha-miasa iraisam-pirenena ataon' ny fikambanana sy olon-tsotra, naorina tamin' ny taona 2000 mba hamoronana tranomboky an-tranonkala maneran-tany momba ny fiteny. Ny fampahalalana dia voatahiry amin' ny endrika XML ary ampiantranoin' ny Linguistic Data Consortium ao amin' ny Oniversiten' i Pennsylvania.

Ny OLAC dia manome fampahalalana momba ny fomba fanao tsara indrindra amin' ny fitahirizana sady miasa amin' ny fampiroboroboana ny fifampiraharahana eo amin' ny samy tahiry momba ny fiteny.

Inty ny sehatra ôfisialiny: www.language-archives.org

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]