World Atlas of Language Structures

Ny World Atlas of Language Structures (WALS) dia angon-drakitra momba ny toetra ara-drafitra (feon-teny sy rariteny ary voambolana) amin' ny fiteny rehetra eto amin' izao tontolo izao. Navoakan' ny Oxford University Press tamin' ny voalohany ho boky (miaraka amin' ny CD-ROM) tamin' ny 2005 izy io ary nivoaka an-tserasera ny andiany faharoa tamin' ny Avrily 2008, izay nokarakarain' ny Max-Planck-Institut für evolutionäre Anthropologie; ny mpanonta lahatsoratra dia i Martin Haspelmath, i Matthew S. Dryer, i David Gil ary i Bernard Comrie. Nisy andiany fahatelo dia navoaka tamin' ny Internet tamin' ny 2011.
Ny angon-tsarintany dia mampiditra vaovao ara-jeôgrafia avy amin' ny Glottolog ary manome fampahalalana momba ny fihavanana ara-piteny sy fanasokajiana ny fiteny marobe; navoaka teo ambanin' ny lisansa Creative Commons "Attribution 4.0 International" (CC BY 4.0) ny rakitra ao aminy.